Mpizara tosika

Avy amin'i testwiki
Aller à la navigation Aller à la recherche

Ny mpizara tosika dia tamba-pitaovana elektronika tsotra izay ahafahana mampihena ny tosika miditra, vita ohatra ami'ny tohitra roa mitandahatra zany. Ampiasaina matetika izy io mba hamoronana tosika atao fitaratra na ho toy ny mpampihena onja manana hatetika ambany .

Fitsipiky ny mpizara tosika

s

Ampifandraisina amin'ny tany ny tosika amin'ilay mpizara ary arafitra mitandahatra ireo tohitra roa R1 sy R2 . Ny tosika miditra U dia ampiharina amin'ny fidirana amin'ireo tohitra roa ireo ary refesina amin'ny tendron'ny R 2 ny tosika mivoaka.

Amin'ny fampiasana ny lalànan'ny olika sy ny lalàn'i Ohm amin'ny tosika U sy U 2, dia azo atao ny mamantatra ny fifandraisana misy eo amin'ny tosika mivoaka U 2 sy ny tosika miditra U. :

U=I(R1+R2)

ka amin'izany dia U2=IR2 SY I=U1R1+R2

Noho izany :

U2=UR2R1+R2

Afaka atao koa hoe V ny anehoana ny tosika U . Na dia manamarina izany aza ny anarana SI, ny V dia tsy fahadisoana.Endrika:Boîte déroulante

Fitsipiky ny mpizara tosika mitondra vesatra

Tetezana mpizara volta misy entana

Ny tambatra dia mitovy amin'ny teo aloha fa misy tohitra atao vestra R L eo am-pivoahana. Izany dia atambatra misafelika amin'ny tohtra R2 . Ny tohitra mirasanda tazana avy eo amin'ny U 2 dia lasa hoe :

Req=R2RLR2+RL

Azo soratana toy izao ny fampimirana an'ilay mpizara tosika :

U2=UReqR1+Req=UR2RLR1R2+R1RL+R2RL

Marihana fa raha azo tsinontsonavina ny sandan'ny R 2 mihoatra ny sandan'ny vesatra R L dia R eq ~ R 2 ary amin'izay ny dia toa ny tambatra tsy misy vesatra izy.Endrika:Boîte déroulante

Fampiharana

Ny tetezana mpizara tosika dia ampiasaina koa amin'ny fametrahana famantarana mba hanodinana azy anaty olika araka aratra ary manaja ny fihetsehan'ny fampidirana azy. Ao amin'ny fitaovan-kira elektronika , hita ao amin'ny potentiometatra, ohatra na koa amin'ny fivohizana fanehoana [1] .

Mpizara tosika mampiasa mpampiaty

Tetezana mpizara tosika mampiasa mpampiaty

Ho fanampin'ny mpizara tosika mampiasa tohitra , dia misy ihany koa ireo mpizara tosika mampiasa mpampiaty, vita ami'ny tambatra mpampiaty roa. Raha tsy azo atao ny mizara ny tosika mitohy DC - ny mampiaty mantsy tsy mitondra rian'arata raha tosika mitohy DC ny eo amin'ny lahiny - fa azo ampiasaina amin'ny tosika miheringerina izireo Amin'ity tranga ity dia tsy maintsy jerena manokana ny fihetsik'ireo mpampiaty natambatra [2] .

Ho an'ny mpizara tosika ampiasa mpampiaty ny tahan'ny fanovana dia :

U2=UC1C1+C2

Fitoviana

Toy izany koa, ny mpizara tosika dia azo ampiharina amin'ny fampitaovana hafanana amin'ny fampiasana tohitra ara-kafana (izay mitovy fomba fanambarana amin'ny tosika araka aratra) sy ny elanelana mari-pana.

Fanamarihana sy loharano

Fanampiny

Toro-boky

Lahatsoratra mifandraika

Endrika:Portail


}.