Flip-flop

Avy amin'i testwiki
Aller à la navigation Aller à la recherche

Endrika:Orphan

Flip-flop (R1, R2 = 1 kΩ, R3, R4 = 10 kΩ).

Ny flip-flop (avy amin'ny fiteny anglisy), dia olik'aratra lôjika manana fivoahana roa ary manana fidirana tokana na maro. Ny fivoahana dia mety 0 (tsy misy aratra mande) na 1 (misy aratra mande). Miova arakaraky ny fidirana ny aratra mivoaka.

Ny mahasamihafa ny flip-flop dia izareo mitazona ny toetrany rehefa tsy misy aratra miditra. Tsy ohatra ny varavarana AND, OR, XOR sns.). Rehefa mampiasa flip-flop, miresaka lojika sekansialy (logique séquentielle).

Fototry ny lojika sekansialy ny flip-flop. Satria rehefa manao olik'aratra amin'ny flip-flop, afaka manao mpanisa, rejistra, rejistra misy elanelana sy tahiry.

Ny flip-flop sasany, ampiasaina amin'ny sistema sinkrona (synchrone), dia manana fidirana ho an'ny quartz na famataranandro (soratana « C » avy amin'ny « clock »). Noho izany dia misy ny flip-flop sinkrona sy flip-flop asinkrona.

Misy karazana flip-flop maromaro : ny flip-flop RS, D (« latch »), ary RSH; asynchrone ny fomba fandehanany. Misy koa karazana flip-flop : D, JK ary T; ny fomba fandehanany dia asinkrona (asynchrone).

Ny flip-flop asinkrona

Flip-flop RS

sarina flip-flop RS
  • S (Set) : mpanova 1
  • R (Reset) : mpamerina 0
  • q : fivoahana
  •  : fivoahana mivadika
S R q dinika
0 0 qn-1 n-1 fitehizirana
0 1 0 1 miverina 0
1 0 1 0 miova 1
1 1 0 0 toetra manokana

Flip-flop RS miaraka amin'ny varavarana NOR

sarina flip-flop RS miaraka amin'ny varavarana NOR
  • S (Set) : mpanova 1
  • R (Reset) : mpamerina 0
  • q : fivoahana
  •  : fivoahana mivadika
q dinika
0 0 1 1 toetra manokana
0 1 0 1 miverina 0
1 0 1 0 miova 1
1 1 q fitehirizana

Latch

Mitovy amin'ny flip-flop D ny latch amin'ny lafin'ny fidirana (manana roa tahaka ny flip-flop D izy), saingy samihafa ny fomba fandehanany.

  • Rehefa 0 ny H, mitazona ny toetrany ilay fivoahana, na inona na inona ny aratra misy amin'ny D;
  • Rehefa lasa 1 ny C, mitovy amin'ny toetran'ny D ny fivoahana.
  • Mandika ny fidirana D ny fivoahana Q rehefa mande ny famataranandro C
  • q sy ny fivoahana, tsy maintsy samihafa foana ny toetran'izy ireo.
  • Q ny toetra alohan'ny fiovana
  • D ny toetra apetraka amin'ny fidirana D
  • X dia toetra 0 na 1
D C (CLK) q dinika
d 1 d mandika ny fidirana D ny Q
X 0 q fitehirizana

Ny flip-flop sinkrona

Eto indray, rehefa mihetsika ny famataranandro vao tena miasa ny fidirana. Ireny fidirana ireny dia tenenina hoe sinkrona (amin'ny H) satria mifehy amin'ny famataranantro H ny fidirana sinkrona. Manana fidirana asinkrona koa ny flip-flop sinkrona, ary manana laharam-pahamehana amin'ny fidirana sinkrona ny fidirana asinkrona.

Flip-Flop JK

J K Qn+1
0 0 Qn
0 1 0
1 0 1
1 1 Qn

fampiriman'ilay flip-flop : Qn+1=JQn+KQn

Ny fiavian'ny flip-flop JK dia azavain'i P. L. Lindley, injenieran'ny JPL, anaty takelakana fanamboarana haikoriam-boanaratra EDN. Tamin'ny 13Jiona 1968 ilay takelaka no soratanaa. Ao anatin'ilay takelaka, nanazava i Lindley fa i Eldred Nelson, siantifikan'ny Hughes Aircraft no namorona ny anaranan'ny flip-flop JK.

Endrika:Vangovango